tany_masina

tany_masina Explore the heart of Madagascar with Tany Masina! Your adventure into Malagasy heritage starts here!

Dive into authentic cultural experiences, discover traditions, and let us guide you through themed journeys that unveil the island’s hidden treasures.

28/08/2026

Berida tampa'e fahaefatse mamaran'aze.

Miverina ao Androy i Berida rehefa avy nanatitra ny havilasy Lahimanara tany amin’ny tany Bara.
Fa tsy nisy nampoizina dia omby maherin’ny arivo no nanaraka azy, nampitsondemboka ny lalana.
Niely eran’Androy ny vaovao, ka nivoaka ny tanàna sy ny vohitra hijery ilay fiverenan'i Berida, izay tsy mbola nisy toa azy.
Tamin’io andro io, tsy niverina ho lehilahy tsotra intsony i Berida, fa nanomboka niditra tao anatin’ny tantara sy ny angano.
Ity ny Berida – Fizarana faha-4, fotoana nanjary lehibe noho ny tenany ny anarany.

Hamaray rendez-vousRendez-vous demain
15/08/2026

Hamaray rendez-vous
Rendez-vous demain

06/08/2026

⚔️ BERIDA – TAMPA'E FAHAROE : BERIDA MANOLOANA AN'I MANOROTORO SY LAHIMANARA ⚔️

Tsy tantara foronina ity, fa ampahan'ny lova sy ny fahatsiarovana navelan'ny Ntaolo teto Androy.

Rehefa resin'i Berida i Manorotoro, ilay mpangalatra omby malaza sy natahoran'ny maro, dia mbola tsy nifarana ny ady.

Niainga kosa i Lahimanara, mpitarika Bara malaza, niaraka tamin'ny tafiny mba hamaly faty sy haka indray ny voninahiny.

Tao Bekopike, nifandona ny tafika roa tonta. Nifampitana ny lefona, niredareda ny basy, nanidina ny piletse, ary nikoropaka ny omby.

Saingy teo afovoan'ny ady no nanehoan'i Berida ny tena hasin'ny maha-lehilahy azy...

🎬 Jereo hatramin'ny farany ity Tampa'e Faharoe ity.

❓ Araka ny hevitrao, nahoana i Lahimanara no romotra sy nivadika biby ka tonga hanafika ny tananan'i Berida ?

💬 Soraty ao anaty fanehoan-kevitra ny hevitrao.
👍 Ataovy J'aime raha tianao ny tantara marina sy ny kolontsaina Malagasy.
📤 Zarao amin'ny namanao mba hahafantaran'ny maro ny tantaran'i Androy.
🔔 Araho ny pejy TANY MASINA – FOHA TALILY fa mbola maro ny tantara miandry antsika.

29/07/2026

🎬 BERIDA — FIZARANA VOALOHANY

Ao anatin’ny tontolon’i Androy tamin’ny taonjato faha-19 no niandohan’ny tantaran’i Berida, lehilahy nanana talenta maro: mpiady nohajaina, mpanasitrana, mpahalala ny sikidy sy ny kintana, ary mpahay Beko.

Amin’ity fizarana voalohany ity, fantaro ny heriny, ny talentany ary ny toetra nananany, izay nampitoetra ny anarany tao amin’ny tantara sy ny fahatsiarovan’ny vahoaka Antandroy.

Amin’ny alalan’ity andian-tantara ity, dia mikendry ny hitahiry sy hampita ny tantaran’i Androy izahay, hanome voninahitra ny fahendren’ny razana ary hampahafantatra amin’ny taranaka ankehitriny sy ho avy ireo olona nanamarika ny tantaran’ny faritra.

👉 Jereo, zarao ary araho ny pejy mba tsy ho diso ny tohin’ny tantaran’i BERIDA.

Mpamokatra: : sy Foha Talily i Androy
Manatontosa : IOAnay MAZAVALOHA
Mpiara-miombon’antoka: Mahatante Tsimanaoraty Paubert

26/07/2026

🌿 TANY MASINA | IREO GOAVAMBE TETO MADAGASIKARA

Ahoana raha nisy tontolo hafa teto Madagasikara talohan'ny fahagola sy ny fanjakana rehetra, talohan'ny fiainana iainantsika ankehitriny?

Nisy fotoana mbola niainan'ireo biby goavambe ny tanintsika. Iray tamin'izy ireo ny Voronkodohodo na ny Aepyornis Maximus, ilay vorona lehibe indrindra fantatry ny siansa fa nisy teto ambonin'ny tany.

Tsy fanadihadiana ara-tsiansa fotsiny ity horonantsary ity.

Fa famoronana ara-javakanto mifototra amin'ny fahalalana ara-tsiansa sy ny lova ara-kolontsaina malagasy.

Manasa antsika hisaina ny mety ho fifandraisana feno fanajana sy firindrana teo amin'ny olombelona voalohany sy ireo zavaboary niaraka nonina taminy.

Ny hafatra tianay ampitaina dia tsotra:
Tsy tompon'ny natiora ny olombelona, fa ampahany ao aminy.

Ny sary rehetra ato amin'ity horonantsary ity dia noforonina tamin'ny alalan'ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA), mba hampahafantarana indray ny tantara, ny kolontsaina ary ny harena voajanahary nananan'i Madagasikara.

Raha tianao ny asa zarainay dia zarao ity horonantsary ity, mba hahafahan'ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy mahafantatra indray ireo zava-boary sy tantara sarobidy izay manaly hohadino.

🌍 TANY MASINA
Mamelona indray ny tantara, ny kolontsaina ary ny haren'i Madagasikara.

Address

Antananarivo

Telephone

+261327927781

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when tany_masina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to tany_masina:

Shortcuts

Share

Category