19/07/2026
Miarahaba antsika zandry zanaka, hiatrika ny fanadinana baccalauréat manomboka ny Alatsinainy 20 jolay 2026.
Ireto misy hafatra vitsivitsy avy aty aminay mpanabe ato amin'ny Groupe Pédagogique La Ruche :
1. Eo amin'izao fihatrehana ny fanadinana izao, dia tsy fotoana fanaovana fandalinana intsony izao, fa famerenana fitadidiana amin'ny alalan'ny maso no tokony ataontsika, io ilay antsoina hoe mémoire visuelle; mijery ireo kahie lesona sy fampiasana mba hisian'ny tamberina.
2. Mety mitaintaina, mitebiteby, ary matahotra ianareo, ara-dalana izany, fa miezaka ny ho tony, izany no antony ampidirana antsika anaty efitrano fanadinana atsasakadiny mialoha; mba hanalana ny tahotra ary hakana ny fifantohana na concentration.
3. Tandremo! aoka tsy hisy hadino ny taratasy fiantsoana, ny taratasy fanamarinana ( convocation sy carte d'identité ), ny fitaovana rehetra fa mety hampikorontana.
4. Aza manao kiraro na akanjo tery fa mety manelingelina ny fifantohana, mila à l'aise tsara! manaova voky tsara fa tsy voky loatra
5. Manaova akanjo mafana tsara, tsy hoe mafana be mety hitarika hatsemboana akory. Raha ilaina dia manao gants sy satroka lamba fa ekena ny fanaovana izany any amin'ny efitrano fanadinana
6. Asio zava-mamy toy ny bonbon na chocolat any anaty paosy, satria ny kitapo dia mazana asain'ireo jury miambina hajanona eny anoloana, azo atao ny mihinana ireny ao anaty efitrano fanadinana fa ezahana mba tsy hanelingelina ny mpiadina hafa.
7. Ho antsika ray amandreny, ezaho mba ho sakafo mafana no omena ny zanantsika, sakafo tsy be menaka, tsy mamparary kibo, ary sakafo efa mahazatra.
8. Aoka tsy ho tara, aleo tonga aloha, mba tsy hampikorontana ny saina, sy hampisy fifantohana.
9. Reseo ny tebiteby sy ny tahotra, mifantoha amin'ny fanadinana, matokisa tena tsara (confiance en soi), ataovy ambony ny herintsaina, ampy hahavitana an'io ny ezakao nandritra ny 10 volana.
Mirary fahombiazana ho an'ny tsirairay.
Tiana Bodo Razanaparany
Directrice La Ruche Collège