07/05/2025
We would be delighted to show you this beautiful species.
C'est avec un grand plaisirs que nous vous ferions découvrir cette belle espèce.
🦎 Ho hankalazaina afaka andro vitsivitsy ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tanalahy. Andao hiresaka momban'ny tanalahy kely indrindra manerantany 🦎
Fantatrao ve fa ny Brookesia nana no voamarina ho tanalahy kely indrindra eto an-tany — ary angamba koa no biby mandady kely indrindra fantatra? Mirefy latsaky ny 3 sm ny vavy ary manodidina ny 3 sm miaraka amin’ny rambony ny lahy. Tamin’ny taona 2012 no nahitana azy voalohany tao amin’ny tangorom-bohitra Sorata, any avaratr’i Madagasikara.
Hatramin’ny nanamarinana azy ho karazana tanalahy vaovao tamin’ny volana janoary 2021, dia nisarika ny mason'izao tontolo izao ary natao ho tena zava-dehibe ny fiarovana ny toeram-ponenany. Araka ny nolazain'i Docteur Fanomezana Mihaja Ratsoavina, izay anisan'ny mpikaroka nandray anjara tamin'ny fahitana azy : "ny ezaka fiarovana ity biby tsy manam-paharoa ity dia mila ampiarahana amin’ny fiarovana ny tontolo voajanahary misy azy sy ny fampianarana ny tanora momban'ny natiora."
Manankarena zavaboary tsy fahita firy ny tangorom-bohitra Sorata sy ny ala mandoany avaratr’i Madagasikara, ao anatin’ny Complexe des Aires Protégées Ambohimirahavavy Marivorahona (CAPAM). Ireo ala ireo, ankoatra ny fisian'ny harena vohajanahary hita ao aminy, dia manana andraikitra lehibe amin’ny famatsiana rano ho an’ireo faritra manodidina ary manohana ny fiainan’ireo mponina an’arivony monina eo an-toerana.
Tsy harena ara-tontolo iainana fotsiny ireo faritra arovana ireo, fa tena harena ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an’ny fiarahamonina eny an-toerana. Izany no maha zava-dehibe ny fiarovana azy ho an’ny hoavin’i Madagasikara sy ny mponina ao aminy.
Raha miaro ny Brookesia nana isika, dia miaro ny ampahany sarobidy amin'ity tanintsika ity. 🌍
Rahampitso indray isika dia hiresaka momban'ny tanalahy kely iray hafa : Brookesia micra.