21/03/2023
Coucou daholo😊 somary ela tsy hita tato izahay, noho ny antony arak'asa dia tsy dia nanana fotoana hanaovana publication😌
Androany izahay dia hizara amitsika ny mombamomba an'izany tanàna kely mahatamàna anay aty izany😋 ny Commune Rurale Ambatosia izany🌻
Voalohany aloha hoe aiza ho aiza eto Madagasikara ary izany?😂
Aty amin'ny faritra Avaratr'i Madagasikara no misy azy, mbola anaty faritanin'i Mahajanga izy, faritra Sofia, ary ao anatin'ny distrikan'i Bealanana. Arak'izany dia Tsimihety ny mponina aty, fa mifangaro mpiavy Sihanaka (tena maro an'isa)
Manamorona ny lalam-pirenena faha 31 (RN31) izy, ary aty 20km (eo ho eo) somary atsimo andrefan'i Bealanana no misy azy
Ahitana fokontany maromaro ato anatin'ny kaominina Ambatosia (Ankijanimavo, Ambalabe Mahafahana, Andranotakatra,..), izay tena mifanalavitra tokoa ny misy azy avy
Anisan'ireo vokatra tena mampiavaka an'Ambatosia ny vary, ny lako (trondro), manasy (mananasy).
Ankoatran'ireo dia hita aty ihany koa (sady tena mora rehefa amin'ny fahavokarany) ireo karazam-bokatra toy ny tsaramaso, tongolo, tomates, concombre, pommes de terre, katakata (akondro), finesy (ampalibe), voasary, manga, sns
Ny activité an'ny ankabetsahan'ny olona aty dia mamboly avokoa, misy koa ireo maka trondro dia mandafo rehefa fotoanany.
Ahitana sekoly 6 (eto an'Ambatosia manokana, fa ny fkt hafa koa misy) Lycée am-panjakana, CEG, EPP, ary privé 3, hopitaly CSB II, ary fiangonana maromaro
Efa misy jiro mandeha amin'ny herinaratra ihany koa aty amin'izao fotoana, ary efa ho vita tsy ho ela ihany koa ny borne fontaine maromaro misy rano fisotro madio
Isakin'ny Alakamisy ny tsenabe Ambatosia (kamisy be) andro maresaka indrindra eto Ambatosia
Azo lazaina hoe mahafinaritra ny aty, na dia tena ratsy sy mampijaly aza ny lalana (RN31)😔
Dia izay indray aloha zany no azo natolotra atsika androany ee❤️
Alefanay tsikelikely eny ihany ny sary😊