16/08/2026
TSABORAHA TAMATAVY 501 — HASIGNA, KOLITORALY ARY FIZAHANTANY
Ny dia tsy lanonana tsotra fotsiny, fa fotoana lehibe iray mampiseho sy mampita ny hasina, ny tantara ary ny fomba amam-panao nentin-drazana Betsimisaraka.
Tamin’ny alalan’ny fananganam-pisokona, ny laho-jôro sy ireo fomba nentim-paharazana natao tao amin’ny 501, dia vao mainka nihamafy ny hasina ara-kolitoraly an’ity toeragna ity. Toerana iray izay tsy vitan’ny hoe mitahiry tantara sy maha-izy antsika, fa lasa manana lanja lehibe kokoa ihany koa eo amin’ny lafiny fizahantany sy fampahafantarana ny kolontsaina Betsimisaraka.
Ny kolontsaina velona sy hajaina dia harena iray afaka manintona ireo vahiny sy mpitsidika te hahalala bebe kokoa ny tantara, ny fomba amam-panao ary ny maha-samihafa an’i Atsinanana. Izany indrindra no mampitombo ny (attrait touristique) an’i 501 sy manome endrika vaovao azy amin’ny maha-toerana ara-kolontsaina azy.
Zava-dehibe ny mitahiry, manaja ary mampita amin’ny taranaka ny lovantsika, satria ny kolontsaina no fototry ny maha-izy antsika ary iray amin’ireo hery lehibe mampandroso ny fizahantany.
Adidy vita, hasigna ny toeragna azo; mitomboa hatrany anie ny hasigna antsika aby.