Fizahan-tany eto Madagasikara "Tourism"

Fizahan-tany eto Madagasikara "Tourism" Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Fizahan-tany eto Madagasikara "Tourism", Sightseeing Tour Agency, Andasibe Moramanga, Toamasina.

02/01/2026

Pejy faha folo daty 02/01/2026

Ity aretina VS ๐Ÿ’๐Ÿ’ ity no hatahorana mafy sao hanimba ny tontolon'ny Fizahan-tany na avy ato anatiny na avy any ivelany amin'ity taona 2026 ity ๐Ÿ˜ฅ.

Tokony hisy fiaraha miasa hentitra iraisan'ny Ministeran'ny Fahasalamana sy ny Ministeran'ny Fizahan-tany ary ny Ministeran'ny Fiarovana sns... mba hamongorana faran'izay haingana io aretina ratsy io.
Marihina eto fa ny sehatry ny Fizahan-tany dia mampiditra vola vahiny betsaka hampihodinana ny ekonomia
ary manome asa ny isam-batan'olona izay misehatra amin'io anton'asa iray io.

NB : Tsaroako tsara tamin'ny andron'ny Pesta izay nisy teto amintsika ary tafiditra tsara tamin'ny volana mampirongatra ny Mpizahatany mitsidika an'ny Madagasikara ( haute saison touristique)
Tena haingana dia haingana ny Ministeran'ny Fizahan-tany sy ireo Ministรจre mpiara miombon'antoka rehetra tamin'izay nanao izay namongorana azy haingana dia haingana ary nisy vokatra tsara azo raha ny momba ny sehatry ny Fizahan-tany manokana .

Koa samia mivavaka mba ho fongotra haingana eto amin'ny firenentsika ity aretina ratsy ity ka mba hizotra tsara ny taonan'ny Fizahan-tany amin'ity 2026 ity .

Tiako ny Asako
Tiako ny Fizahan-tany
Tiako ny Tanindrazako
MR . ๐Ÿ™๐ŸŒฟ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ

Arahabaina fa tratran'ny taona vaovao daholo . Bonne annรฉe ร  tous ๐Ÿ™๐ŸŒฟ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ
01/01/2026

Arahabaina fa tratran'ny taona vaovao daholo .

Bonne annรฉe ร  tous ๐Ÿ™๐ŸŒฟ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ

Pejy faha sivy daty 29/12/2025 Mbola misy 45 km eo ho eo no mbola henjana be mila fiara tsy mataho-dalana (4x4) somary a...
29/12/2025

Pejy faha sivy daty 29/12/2025

Mbola misy 45 km eo ho eo no mbola henjana be mila fiara tsy mataho-dalana (4x4) somary ambony fijoro

Fa ny ambiny efa Lalana vita tara (goudronnรฉe ) misosa sady milay be ny fitazanana ( paysage) tsara raha avy any Soanierana ivongo.

Soanierana ivongo - Mananara ny resaka eto.

Sary tahiry
MR ๐ŸŒฟ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ

28/12/2025
Pejy faha valo  daty 28/12/2025Samy ala - maina ireo ary samy manana  zava-boahary maro tsy fahita afa-tsy ao ihany dia ...
28/12/2025

Pejy faha valo daty 28/12/2025

Samy ala - maina ireo ary samy manana zava-boahary maro tsy fahita afa-tsy ao ihany dia atoro izay hita sy fantatra.

MR ๐ŸŒฟ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ

Pejy faha fito daty 27/12/2025 .Tsara be ny  fitazanana avy ety  ambony an'ity parka iray ity an . Ohatry mitovy amin'ny...
27/12/2025

Pejy faha fito daty 27/12/2025 .

Tsara be ny fitazanana avy ety ambony an'ity parka iray ity an .
Ohatry mitovy amin'ny Colorado any an-dafy izany hono fa za mbola tsy tany , fa isaky ny manembonembona ny ho any aho dia miverina eto indray . ๐Ÿ˜…๐Ÿ˜….

MR ๐ŸŒฟ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ

27/12/2025

Address

Andasibe Moramanga
Toamasina
514

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fizahan-tany eto Madagasikara "Tourism" posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share