21/05/2026
👉ENY EE,TSY MANANA TOUR EIFFEL FA MANANA
🏡 EIFFEL 🏡😊
Vao maheno ilay teny hoe isika de tonga ao an-tsaina ny Tour eiffel 🗼 de Paris izay namboarina tamin'ny taona 1889.
I Tompokolahy EIFFEL(1832-1923) dia architecte frantsay kalaza maneran-tany tamin'ny XIX siècle. Ny fahaizany mampiasa "vy" no nahafantaran'izao tontolo izao azy.
Ny MAISON EIFFEL dia anisany porofo izay mbola mijoro ankehitriny izay maheno ny dian-Tanany .Ity trano izay hitantsika amin'ny sary eo ambany ity dia namboarina tamin'ny taona #1898; Roa taona ny nahalasa zanatany frantsay an'i Madagasikara .Manana riana 2 (2étages),voadidina véranda. Vy nafaana avy tany la frantsa no nampiasaina tamin'ny fotoana nanamboarana azy .Trano natao hialana sasatra hoan'ireo Miaramila Frantsay izy tamin'izany ,ary misy efitra vitsivitsy (gîte d'etape)natao fandraisana ireo Miaramila Européen izay namita hiraka teto Majunga.Rehefa nahazo fahaleovantena anefa i Madagasikara dia noraisin'ireo tafika Malagasy ny Maison Eiffel mba hatao 'loge de commandement militaire",
Tamin'ny taona 2023 ,dia nisy architecte- photographe antsoina hoe Jean-Paul Lubliner tonga teto Majunga ary nisy moa tamin'izany ny tetikasa hamonjena ny Maison Eiffel .
👉Mandritrany circuit #"Tour de ville de Majunga" no ahafantarantsika ireo toerana manan-tantara eto Mahajanga. Koa aza misalasala miditra (Message Privé).
☎️Contact: 0323097374/0387240029
📞WhatsApp : +261 32 30 973 74
📧[email protected]
🔷️Facebook: Guide Sayah Majungensis