22/09/2026
𝐌𝐈𝐓𝐀𝐃𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐅𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀
𝐀𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐤𝐨 '𝐳𝐚𝐨....
Misy olo tsy mba ory vola, tsy mba ory harena, fa fahafahana no tena tadiaviny, mba ho fahasalamany ny tenany. Te hiaina toy ny vorona, manidina eny ho eny, fa izany mbola tolona, noho ny zioga 'zay babeny...
𝐀𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐤𝐨 '𝐳𝐚𝐨.....
Misy olo maniry te hampiseho, hoe iza izy no sady te hanamarika fisiana, fisainatsika etyy anefa ry zareo, f'izay te handroso tondrahana hakiviana...
𝐀𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐤𝐨 '𝐳𝐚𝐨.....
Misy olona te hiverina iaina fahazaza, ahafahany manitsy ireo lesoka tsy nety hatrizay, ndriii mety ho nofinofy ihany angamba, hianatra aho na tsy ho eto mandrakizay...
𝐀𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐚𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐤𝐨 '𝐳𝐚𝐨.....
Misy olona iray te ho henoina fotsiny ihany, te hiteny sy hamoaka, hilaza ny ao ampony, saingy tsisy namana hizarana alahelo, dia ny ranomaso ritra no nahatonga azy tony...
=====𝐃𝐈𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐎=====
"Araraoty foana ny fotoana"
Ifampizarana ny mahasoa sy tsara, hiarahana @ olona akaiky antsika satria ny "𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐟𝐚𝐦𝐞𝐭𝐫𝐚", na anaty finamanana aleo mifanasoa, anaty tokatrano mba ho olona modely :"𝐋𝐞𝐡𝐢𝐥𝐚𝐡𝐲 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐢𝐝𝐲, 𝐯𝐞𝐡𝐢𝐯𝐚𝐯𝐲 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐩𝐚𝐤𝐚"
Zay fa dia mirary soa
"𝐓𝐞𝐭𝐨 𝐢𝐳𝐚𝐡𝐚𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐤𝐚𝐟𝐲 𝐟𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐛𝐞"
🥰 🥰🥰
𝐍𝐛: Raha misy Couple/amis/Groupe maniry hivoaka kely hisintaka ny mahazatra dia afaka mandefa mp.
𝐆𝐨𝐧𝐚𝐚𝐮𝐭𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞
𝐓𝐨𝐮𝐫𝐢𝐬𝐦𝐞𝐀𝐥𝐚𝐨𝐭𝐫𝐚
𝐓𝐬𝐚𝐫𝐚𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚