01/04/2026
Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM 🥱
🔥‼️Vaovao Mafana be : 𝐇𝐀𝐓𝐎𝐌𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 MEY 𝟐𝟎𝟐𝟔 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐎𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐋𝐀𝐋𝐀𝐌-𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟑𝟏𝐚 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐡𝐢𝐡𝐲 - 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚𝐯𝐚)⁉️
➡️ Nohamafisin’ireo tompon’andraikitra fa hanomboka amin’ny volana Mey 2026 ny fanamboarana “goudron” ny lalam-pirenena RN31a, mampifandray an’i Antsohihy sy Analalava. Tanjona ny hahavitan’izany amin’ny endrika maoderina sy maharitra, hanatsarana ny fivezivezena sy ny toekarena eny an-toerana.
➡️ Eo anilan’izany dia hambara ihany koa fa hapetraka amin’ny fomba ofisialy ny seranam-piaramanidina, ka hahafahana mandray sidina ara-barotra sy hanamora ny fifandraisana amin’ny faritra hafa.
➡️ Ny hopitaly manara-penitra ao an-toerana dia ho operasiona tanteraka, hanome fitsaboana manara-penitra ho an’ny mponina, hampihenana ny filàna mivezivezy lavitra.
➡️ Ankoatra izany, hitarina ny seranan-tsambo (jetée), ka hahafahana mandray sambo iraisam-pirenena, manokatra varavarana vaovao ho an’ny varotra sy ny fampandrosoana ara-toekarena.
➡️ Ireo tetikasa ireo dia ampahany amin’ny vina lehibe hampandrosoana an’i Analalava sy ny faritra Sofia, hanova tanteraka ny endriky ny fotodrafitrasa sy ny fari-piainan’ny mponina.
👀👇🏽 vakio ny commentaire