14/01/2025
Toy izao no tokony ho aparitaka 😍🔥
...Nahazo maimaimpoana aho Ka anjarako indray no hizara maimaimpoana
Nahazo bourse avy tamin'ny fanjakana Malagasy nandritry ny 3 taona aho (Teny Ankatso )- Sady nianatra maimaimpoana, nahazo bourse Sy équipement maimaimpoana - Nahavita Licence en English For Specific Purposes
Nipetraka fotsiny tao amin'ny zandrin'i dada mianakavy aho teto Antananarivo Première année hatramin'ny 3 ème année - tsy nangalany hofantrano na vidin-tsakafo . Izay frais ivelan' ny trano no nalohan' dada Sy maman fa ny tao tsy nisy vola naloha
Nipetraka fotsiny tao amin'ny zokin'i Maman aho herintaona tsy nisy vola naloha
Nahazo bourse tamin'ny Union Européenne aho tamin'ny 2012-2013 - Projet - Mobilité intra-africaine - Nianatra tany Benin. Niantohana Billet, fianarana, mbola nahazo 600€ par mois . Nanao Master 2 en Stratégie Journalisme et Communication pour le Development
Nahazo bourse tamin'ny vahoaka Amerikana aho , tamin'ny alalan'ny U.S. Embassy Madagascar . Bourse Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders Young African Leaders Initiative Network Nianatra maimaimpoana tany amin'ny University of Notre Dame Mendoza College of Business niantohana Billet Sy sejour tany USA
Nahazo Asa + Formation + Macbook vaovao maimaimpoana iasana miampy zavatra betsaka tany amin'ny Madagascar Import SEAM Inc. aho tamin'ny 2017 nanao foire ana vato tany ary niasa tao
Maro no zavatra azoko maimaimpoana tamin'ny fiainana...Ka izay no anisany MahaTonga ahy tia mizara
Amin'ny anaran'ny tenako manokana dia hanome bourse 5 taona ho an'ny mpianatra iray aho
Hazavaiko : Hiantohako ny saram-pianaranao manomboka ianao première année mandrapahazonao master
Misafidy filière izay mety aminao ao amin'ny Global Talents University
Izao anefa. Aleo mba izay Tena motivé ary Tena Mila azy no mahazo azy
Ka izao. Alefaso ary ny Lettre de motivation Sy CV amin'ny [email protected]
Amin'ny 31 janvier ny deadline
Zarao ho an'izay Mila azy