28/01/2019
A savoir...
FITSABOANA ADY GASY ATAO AMIN'NY FAMBOLENA (Traikefa Fampiasa)
ENTI-MIADY AMIN’NY ARETINA REHETRA
Tain’ omby maina 1 kg na 13 kapoaka + rano 10 Litatra.
• Alona 15 andro, saronana plastika matroka.
• Tatavanina, ranon-tain’omby 1 litatra tapohina rano 3 litatra, asiana rano taretra na savony gasy
ENTI-MIADY AMIN’NY RAMERINA
• Sakay na tongolo gasy 1 litatra nalona no tapohina rano 5 litatra miaraka amin’ny savony gasy na ranon-taretra
ENTI-MIADY AMIN’NY OLITRA SYIREO BIBY KELY MIHINAN-DRAVINA
• Ravina kaonsoda 7 lehibe asiana rano 10 litatra, alona 15 andro.
• Haroharoina isaky ny 2 andro. Saronana plastika matroka. Tatavanina, dia maka 1 litatra amin’ío fangaro io dia tapohina rano madio 5 litatra.
• Asiana savony gasy na ranona taretra vao ampiasaina
ENTI-MIADY AMIN’NY BIBY KELY MIHINAN-DRAVINA SY NY ARETINA
• Ravina kaonsoda 7 + tain’omby maina 1kg na 13 kapoaka,
• Alona 15 andro, saronana, tatavanina.
• 1 litatraamin’ío fangaro io dia tapohina rano madio 5 litatra.
• Asiana savony gasy na ranona taretra vao ampiasaina
ENTI-MIADY AMIN’NY BIBY KELY MIHINAN-DRAVINA
• Ravim-boandelaka 1kg na voany 2 kapoaka voatoto no alona amin’ rano 10 litatramandritra ny 1 alina.
• Tatavanina dia tonga dia ampiasaina
ENTI-MIADY AMIN’NY VARANGAM-BITSIKA (COCHENILLE)
• Pipin’omby 1 litatra, afangaroamin’ny rano 5 litatra. Tonga dia ampiasaina
ENTI-MIADY AMIN’NY BIBIKELY ANATY TANY
• Tamotamo 0,5Kg + Voandelaka voatoto 0,5 Kg. Iray tanan’ila no araraka isaky ny lavaka alohan’ny fambolena
• Tamotamo 0,5 Kg + Kaonsoda raviny 0,5Kg Iray tanan’ila no araraka isaky ny lavaka alohan’ny fambolena
• Tamotamo 0,5 Kg + Dingadingana 0,5Kg voatoto. Iray tanan’ila no araraka isaky ny lavaka alohan’ny fambolena
FITSABOANA MASOMBOLY
• Ranomena 2 sotro lehibe afangaro amin’ny masomboly 3,5 Kg
• Asiana ranombary na rano mangahazo mba hampiraikitra tsara ny ranomena amin’ny masomboly.