22/05/2026
🌍✨ 𝟐𝟐 𝐦𝐚𝐢 𝟐𝟎𝟐𝟔 – Salon du Tourisme et Développement Durable
Ouverture ce jour de la 3ème édition du Salon du Tourisme et du Développement Durable au jardin d’Antaninarenina, porté par Atout Tourisme Madagascar. Ce rendez-vous a mis en lumière l’importance de valoriser les ressources locales, permet d’encourager les innovations responsables et de renforcer la collaboration entre acteurs publics, privés et société civile. Dans la matinée, notre Président du Conseil Administratif de TOP Madagascar, M. ANDRIAMIHAJANIRINA Michel, a participé à la « table ronde dédiée au tourisme responsable et durable ».
Un moment de réflexion et de partage pour construire ensemble un tourisme plus inclusif, résilient et respectueux de notre environnement. 🤝🍃
📌Le salon continue jusqu'à demain, samedi 23 mai. Au Jardin d'Antaninarenina. Diverses animations vous y attendent.
🎟️ Entrée Libre. Venez nombreux !!!
______________
🌍✨ 𝟐𝟐 𝐦𝐚𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟔 – Salon du Tourisme et Développement Durable
Nisokatra anio ny Salon du Tourisme et du Développement Durable, andiany faha 3, eo amin’ny Zaridaina Antaninarenina, ary aharitra 2 andro. Ankoatra ireo fampiratiana dia misy dinidinika momba ny fizahantany maharitra. Nandray anjara tamin’izany ny talen'ny filankevi-pitantanan'ny TOP Madagascar, Atoa ANDRIAMIHAJANIRINA Michel, ny maraina teo. Nisongadina nandritra izany ny maha-zava-dehibe ny fanomezan-danja ireo harena sy loharanon-karena eto an-toerana, ny fampiroboroboana ny fizahan-tany manaja ny tontolo iainana ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena.
Fotoana iray nentina nandinika sy nizara hevitra mba hananganana miaraka fizahantany misokatra ho an’ny rehetra, mahazaka fiovana ary manaja ny tontolo iainana. 🤝🍃
📌 Mitohy hatramin’ny rahampitso sabotsy 23 may ny hetsika, eny amin’ny Zardainan'Antaninarenina. Hetsika sy fialamboly maro no miandry anareo eny an-toerana.
🎟️ Tsy misy vidim-pidirana. Tongava maro!!!