27/04/2026
🚨 FANAMBARANA : TSY AZO ATOLOTRA HO FOIBE FIKAMBANANA NY LAPAN’NY FILOHAM-PIRENENA 🚨
➡️ Tsy ara-dalàna ny fampiasa ny Lapan’ny Filoham-pirenena Iavoloha ho foibe (siège social) amina fikambanana tsotra. Marihina fa TSY ARA-DALÀNA sy mifanohitra amin’ny lalàna velona eto Madagasikara izany noho ireto antony manaraka ireto:
1️⃣ Ny fiarovana ny fananam-panjakana (Domaine Public):
Araka ny Hitsivolana (Ordonnance) faha 60-099 tamin’ny 21 septambra 1960, ny Lapa dia fananam-panjakana natokana ho an’ny asam-panjakana avo lenta ihany. Ny Andininy faha-2 dia manamafy fa ireny toerana ireny dia tsy azo omena na ampiasain’ny olon-tsotra/fikambanana tsy miankina ho an’ny tombontsoany manokana.
2️⃣ Ny fitsipika mifehy ny Fikambanana:
Ny Lalàna faha 2004-036 (Andininy faha-4) dia mitaky foibe (siège social) "marina sy raikitra". Ny Lapan’Iavoloha anefa dia faritra voaaro mafy (Zone Rouge) ary tsy azo idirana an-tselika, ka tsy afaka handray ny asan’ny fikambanana tsy miankina na oviana na oviana.
3️⃣ Fisandohana sy Famitahana:
Ny fampiasana ny adiresin'ny Fiadidiana ny Repoblika amin'ny raharaha tsy miankina dia azo sokajiana ho fisandohana andraikitra sy fampiasana hosoka, satria mampifangaro ny raharaham-panjakana sy ny tombontsoa manokan'ny olona vitsy.
4️⃣ Fanafoanana ny taratasy (Nullité):
Na misy sonia na fitomboka aza ny taratasy iray, raha vao mifanohitra amin’ny Lalàna ambony (Ordonnance 1960) ny votoatiny, dia foana sy tsy manan-kery izany eo anatrehan’ny fitsarana. Ny Lapa dia tsy adiresy azo ampiasaina amin’ny sata mifehy ny fikambanana (Statuts).
⚖️ Fehiny: Ny fananam-panjakana dia ho an'ny vahoaka rehetra ary tantanin'ny Fanjakana, fa tsy natao ho fialokalofan'ny fikambanana tsy miankina.
Gen Z 261
Mouvement Gen Z