Nosy-be Travel

Nosy-be Travel Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Nosy-be Travel, Travel Company, Nosy-Be.

11/07/2025
20/07/2022
13/07/2022
25/06/2022
20/05/2020

Coronavirus: Tonga amin'ny fetrany ny fitantanana mivangongo

Teny malaza ny nataon'i Filohan'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana raha nanambara ny vokatra ofisialin'ny fifidianana ho filoham-pirenena izy: " Tsy Antananarivo irery ihany Madagasikara".

Matetika manko dia tapenana amin'ny resaka adim-poko hatrany raha vao miresaka an'io. Iarahan'ny rehetra mahita ankehitriny fa tsy te halala izay foko na lokom-bolo, na ngita, na malemy volo, na baomanga, na andriana, na izay fisokajiana sosialy izany ity aretina Covid-19 ity. Fa na manana na mahantra, eny hatramin'ny Prince de Monaco sy Praiminisitra angilisy heverina fa tokony tsy ho tratran'izany raha ny fahadiovana sy ny fiarovana azy, tratra daholo.

Ny zava-misy eto Madagasikara, dia tsy maintsy miainga eto Antananarivo avokoa ny zavatra rehetra, hatramin'ny takom-bava izay farany bitika. Ahoana moa no tsy hiparitaka ny aretina. TDR na ilay fanaovana test rapide tsy manana akory ny faritra sy ny hopitaly rehetra. Raha mba mananana aza dia vitsy, dia ilay olona misy soritr'aretina ihany no vita fitiliana na test fa ireo nifampikasoka taminy alefa mody fotsiny.

Mbola alefa any Antananarivo indray ny prélèvement atao test PCR na ilay ataon'ny laboratoire tokana Institut Pasteur de Madagascar, izay mbola ilana kisa ihany koa. Izy anefa tsy mahavita analyse mihoatra ny 150 isan'andro monja.

Ambatovy nahavita test 500 efa firy andro tsy tonga ny valin'ny fitiliana, satria miandry an'Antananarivo. Antalaha misy équipage sambo iray manontolo atoka-monina, satria 3 ihany no vitan'ny TDR, miandry an'Antananarivo.

Ireo faritra marobe tsy resahiko, toa an'i Mahajanga, miandry an'Antananarivo. Dia avy eo mifanome tsiny hoe ianareo avy any Antananarivo manao mission aty no mitondra aretina aty aminay.

Ambovombe faty olona, satria fanapahan-kevitra avy Antananarivo.

Any atsimo ripaky ny palu, miandry an'Antananarivo izay variana amin'ny Corona.

Mirongatra ny valala, rehefa tonga eo Ambohitsorohitra vao mihetsika.

Rehefa tapaka jiron'Antananarivo, maika ery mamerina izany, fa any amin'ny faritra, tantara fahagola izany fa jiro jabora no ady eo.

Tsy misy vola ireo hopitaly, tsy misy fitaovana, miandry an'Antananarivo.

Tsy mahazo karama ny ECD sy FRAM, sefo fokotany, Antananarivo.

Mandray andraikitra ilay Governora manidy ny sisin-taniny, miditra antsehatra Antananarivo hoe voay ny lalana. Tafiditra ny Corona, dia mifanome tsiny.

Misy ny marary sy maty hita-poko hita-pirenena, tsy mahazo miteny ny Governora na Préfet fa miandry an'Antananarivo. Tsy mahagaga raha miparitaka amin'ny tambazotra serasera ny vaovao rehetra na ho marina io na ho diso, satria miandry an'Antananarivo efa mivalon'andro vao mamoaka vaovao. Ireny no antsoina hoe vary mangatsiaka, efa mivoatra ny serasera izao, en temps réel fa tsy hiandry rahampitso amin'ny 1ora ny vaovao androany maraina.

Anangana Labo sy Usine pharmaceutique ny fanjakana, tsara be izany, fa azo antoka fa mbola Antananarivo ihany no anaovana an'izany, nefa Antananarivo na ravina artemesia aza tsy mbola hitan'ny masony akory.

Io ravin-kazo io anefa efa ela nampiasan'ny olona azy any Vakinankaratra any, fohana rehefa marary andoha, na atao vary amin'anana rehefa voan'ny jaunisse, toy ny rongony manko izy io, na ny endriky ny raviny aza.

Teniko hatrany ny hoe tonga amin'ny kihon-dalana izao tontolo izao aterak'ity Coronaviris ity, manàna isika fahasahiana hanao dingana goavana, anatin'ny filaminana tsy misy fifankahalana, tsy misy fanavakavahana. Apetrao ny rafitra ananan'ny faritra fahefana sy fitaovana ary vola ampandrosoana azy.

Hitatsika izao fa ny faritra rehetra dia misy foko maro samihafa ny mandrafitra azy, tsy hiteraka adim-poko izany. Aoka izay ity fahefana mivangongo ity hatrany, ka na ny bizinesy rehetra dia mbola Antananarivo avokoa, mba tsy hilazako mihitsy aza hoe eo ampelatanan'olombitsy mihitsy.

Amin'ny manaraka hiverenako ilay hevitra fizaram-paritra telo, Avaratra, Afovoany, Atsimo, samy mahazo ranomasina avy na ato antsinana Ranomasimbe indianina, na avy ato andrefana Canal de Madagascar (Canal de Mozambique hoy ireo).

Avelao ny faritra no hitantana ny fananany, fa tsy Antananarivo avokoa no anome permis pèche, izay amidy atao kolikoly 3 millions de dollar ho an'ny sambo iray.

Nahoana ny faritra manana bois de rose no lazaina fa fanetribe-pirenena sy mpanao trafic, nefa ny Lalampanorenana mihitsy no milaza fa zo fototra ny fampiasana ny harem-pirenena ampandrosoana ny faritra.

Ry zareo ve izany tsy misy saina ka animba ny ala sy ny tontolo iainana any aminy? Efa misy 4 000 tonnes bois de rose efa tapaka ao an-toerana, nahoana Antananarivo no mibahana ny tsy hampiasana izany, fa mila mangataka sy mitalao amin'ny CITES izay ONG ka hibaiko fanjakana?

Ny lalana Ambilobe-Vohémar atao fanaovana fampielezan-kevitra, nefa misy 500tonnes volamena ao Daraina, ilaozan'ireo sinoa ampanamboarana lalana mitrandraka volamena. Iza no tsy mahita ireny helico mifamezivezy miakatra Antananarivo ireny?

Ao Ihosy miaka-midina ny fiaramanidina maka vato, ao Mahajanga ny "or blanc" na makamba crevette, efa conteneur firy isan'andro no mihodikodina.

Ampy kosa izay ny fanaparam-pahefana fa tsy Antananarivo irery Madagasikara.

Tiako Antananarivo ary manambady olona avy eto zaho, tsy resaka foko na olona na fiaviana izany no olana, fa resaka fivangongoan'ny fahefana antanan'olon-tokana, izay matetika olona avy eto Antananarivo no mitondra, satria hatramin'ny andron'ny mpanjaka sy fanjanahan-tany, dia Antananarivo no nianatra, nanana fitsaboana, nanana dokotera, nanana injeniera, nanana mpampianatra, nanana mpitsara, nanana administrateur civil. Tsy atao mahagaga raha ny zanany lasa dokotera, mpitsabo sy mpampianatra ary mpitsara ihany koa.

Apetrao ny tena fitsinjarana andraikira isaky ny Fokontany na Loharano, izay atao anarany, izay atao fototry ny fampandrosoana. 50% n'ny teti-bola tsinjarao amin'ny Fokontany miisa 18 000. Ny 25% omeo ny Firaisana na Kaominina 1600. Ny 15% omeo ny Faritra 3, Avaratra, Afovoany, Atsimo, ary 10% ho an'ny Foibe.

Manana olona 500 000 nianatra manana licence, injeniera, dokotera... isika.
Tsinjarao ny 100 000 amin'ireo, ka ahazo Licencié, dokotera, injeniera 5 isaky ny Fokontany, omeo karama tsara izy ireo, miaraka amin'ilay teti-bola 50%, inona no tsy ho vita eo? Na kara-panondro, na permis, na passeport, na ny barazy sy fambolena, fiompiana, plan urbanisme, nouvelle ville, jiro, rano, sekoly, Université, fandriam-pahalemana, hopitaly, usine...

Soloy Carte électronique ny vola, fa avy dia azo alefa automatique ao amin'ilay Fokontany, Kaominina, Faritra ny anjarany vao misy fifanakalozana ara-bola.

Tsy hiandry an'Antananarivo ampianatra anasa tanana intsony ireo vahoaka any amin'ny Faritra. Olona avy mangery tsy mba ho tonga saina hoe misy tay tanako ka ho sasana? Mandiniha lalina atsika.

Mirary soa e.
Patrick

[email protected]
www.gasypatriote.com
Copyright © GasyPatriote

Remember ths places
15/05/2020

Remember ths places

25/06/2019

Wilkomennnnnn

Address

Nosy-Be

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nosy-be Travel posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category