16/01/2026
🇲🇬 Nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin’ny mpanao gazety maorisianina tao Nosy Be androany maraina, mahakasika ny Mpox, nanazava ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa-tanana , Ramatoa Lily Rafaralahy fa nohamafisina manerana an’i Madagasikara ny fepetra raisina, indrindra ho fiarovana ny vahoaka malagasy.
Nambarany ihany koa fa misokatra tanteraka i Madagasikara, na dia nahitana fidinana kely eo amin’ny famandrihana ho an’ny Faritra Boeny, izay efa nampoizina ihany manoloana ireo tranga voamarina ao an-toerana.
Ny fiarovana ny vahoaka no laharam-pahamehan’ny Fanjakana malagasy, ka izany no antony hanamafisana fatratra ireo fepetra ampiharina manerana ny Nosy.
----
🇫🇷 Lors de l’interview accordée ce matin à la presse mauricienne à Nosy Be, la Ministre du Tourisme et de l’Artisanat a expliqué que les mesures ont été renforcées sur l’ensemble de la Grande Île, principalement à destination de la population malagasy, dans un objectif de protection sanitaire.
Elle a toutefois précisé que Madagascar reste ouverte, malgré une légère baisse des réservations constatée dans la région de Boeny, une situation considérée comme normale compte tenu des cas confirmés sur place.
L’État malagasy met ainsi l’accent sur la protection de la population, ce qui justifie le renforcement strict des mesures appliquées au niveau interne.
📻 https://Radio1.mu