25/08/2026
IREO TOERANA TSY TOKONY HO HADINOINA RAHA HITETY AN’I MADAGASIKARA!
Madagasikara dia manana toerana mahatalanjona maro. Ireto misy toerana 6 mendrika ho fantarina sy tsidihina
🌳 1. Allée des Baobabs – Morondava
Ahitana ireo baobab goavam-be malaza eto Madagasikara. Mahafinaritra, indrindra rehefa mody masoandro.
🪨 2. Tsingy de Bemaraha
Toerana miavaka ahitana vatolampy maranitra sy tontolo voajanahary tsy fahita firy. Anisan’ny toerana mahasarika mpizahatany be indrindra eto Madagasikara izy io.
🐒 3. Andasibe – Parc Analamazaotra
Toerana tsara indrindra hahitana ny ala mando sy ijerena ireo lémurien, indrindra ny Indri-Indri, izay lémurien lehibe indrindra.
🏞️ 4. Parc National de l’Isalo
Hankafizana ireo tendrombohitra, hantsana, vatolampy ary dobo voajanahary. Toerana tena mety ho an’ireo tia fitsangantsanganana sy zavaboary.
🏝️ 5. Nosy Be
Raha mitady ranomasina manga, tora-pasika mahafinaritra ary fialan-tsasatra ianao, dia anisan’ireo toerana tsy tokony hohadinoina i Nosy Be.
6. Manambato
Iainana ny lakandranon’i Pangalana, ahitana karazana lemurien maro any Ankanin’ny Nofy, ny torapasika maro isakarazany, ireo mpanjono ary ireo toerana mahafinaritra maro toy ny ao Ambila lemaintso.
❤️ Découverte Tour: Appréciez en toute tranquillité ! 🍃